Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
Préc Suiv

Governora Randriamanantena : «Tsy mampandroso ny fitiavan-tena…»

Governora Randriamanantena : «Tsy mampandroso  ny fitiavan-tena…»

Nigadona teto Toamasina, omaly ny Dr Randriamanantena Marcellin, governoran’ny faritra Analanjirofo. Nitsena azy ny zanaky ny faritra Ana­lan­jirofo, notarihin’ i Menarivo Félix. Nihaona tamin’ny tompon’ny fanalahidin’ ny tanànan’ i Toamasina, ny ben’ny Ta­nàna, Rakotonirina Nan­te­nai­na ny tenany. Naneho fahavononana hametraka fiaraha-miasa ny roa tonta. Nitohy tamin’ny dinika tetsy Man­ga­ri­votra,  niarahana amin’ireo zanaka am-pielezana izany. «Tsy ho laharana farany an’ Analanjirofo, raha mihazona ny tenintsika tsirairay isika fa vonona ny hifanome tanana. Faritra manankarena amin’ny lafiny rehetra  voanjanahary Analanjirofo, saingy mampahantra ny faritra misy antsika ny fitiavantenantsika», hoy izy. Nahitsy kosa ireo oloben’ireo zanaka am-pielezana ny amin’ny tokony hahaizany misafidy ny ho mpiara-miasa sy omena andraikitra. «Misy ireo miketrika ny haka ny fonao hanohy ny fitiavan-tena», hoy izy ireo.

Sajo

Les commentaires sont fermées.