Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
Préc Suiv

Fondation Axian : nanolotra tavoahangy oxygène 15 ho an’ny HJRB

Fondation Axian : nanolotra tavoahangy oxygène 15 ho an’ny HJRB

Akora lehibe ilaina ho an’ny mararin’ny Covid-19 mampiseho fahasemporana ny oxygène. Anisan’ny hopitaly mandray ireo marary ahitana fahasarotana ny hopitaly Befelatanana. Nalamina handray ny mararin’ny Coro­navirus ny ampahany amin’ny hopitaly ary natokana mihitsy tsy hamindra amin’ny sampam-pitsaboana hafa eo anivon’ny HJRB. Tsy ampy anefa ny fitaovana mizara ny oxygène ho an’ny marary ka nitondra tavoahangy lehibe 15 ny Fondation Axian hanampy ny efa eo am-pelatanan’ny hopitaly. Azo fenoina eo an-toerana (manana fitaovam-pamokarana ny hopitaly) amin’ny fotoana rehetra ilana azy ny tavoahangy misy ny oxygène hamaliana ny filana maika.
Ankoatra ny teny amin’ny HJRB, nampitaovana ny hopitaly Anosiala koa ny Fondation hahafahana manara-maso ny fahasalaman’ny marary 100 raisina an-tanana eny ka mila oxygène. Nano­hana ny lafiny teknika ho an’ny fikirakirana ny fitaovana ny entreprise electricité de Madagascar (EDM), izay orinasa iray anatin’ny Vondrona Axian ihany.
Manohana hatrany ny toeram-pandraisana ny mararin’ny Coronavirus ny Fonda­tion, nanomboka tamin’ny niandohan’ny valanaretina teto amintsika. Ny volana avrily lasa teo, nanolotra fanafody 6 000 ahitana Hydroxychloroquine sy d’Azithromycine izy ireo.

Vonjy A.

Les commentaires sont fermées.