Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
Préc Suiv

Filohan’ny CFM: “Mila fahefana bebe kokoa ireo CCO-n’ny faritra”

Miompana amin’ny ady amin’ny fihanaky ny valanaretina Covid-19 ny toromarika ara-tsosialy sy toekarena naroson’ny CFM ho an’ny fanjakana: inona avokoa ireo fepetra tokony hatao? “Ao anatin’izany, ny fanatsarana ny fitantanana ny fanampiana”, hoy ny fanazavan’ny filohan’ny CFM, i Maka Alphonse.
Eo koa ny tokony hanampiana ireo CCO : omena andraikitra bebe kokoa ireo any amin’ny faritra mba handray ny fepetra mifanandrify aminy, arakaraka ny zava-misy any an-toerana.
Samy manana ny maha izy azy ny faritra misy azy. Haparitaka bebe kokoa izany ny fahefana: misy baiko tokana avy any ambony, fa omena ny fahefana sahaza azy ireo CCO any amin’ny faritra.
Ao anatin’izany koa ny hoe: ahoana ny tokony hanampiana ireo mpisehatra miatrika ny ady amin’ny fihanaky ny Covid-19? Anisany ireo mpiasan’ny fahasalamana, ireo mpitandro filaminana, ireo olom-panjakana samihafa isan-tsehatra.
Notsiahiviny fa manome alalana ny CFM hanao toromarika ho an’ny fanjakana ny lalàna mifehy ny fampihavanam-pirenena. Voalaza amin’izany fa tokony hovalian’ny fahefana mpanatanteraka eo amin’ny parlemanta io toromarika io.
Marihina fa efa volana vitsivitsy izay no nanoloran’ny CFM ny toromarika ho an’ireo andrimpanjakana samihafa.

R. Nd.

Les commentaires sont fermées.