Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
Préc Suiv

Filoha Rajoelina tany Nosy Be: “Mety hisokatra amin’ny oktobra ny sehatry ny fizahantany”

Filoha Rajoelina tany Nosy Be: “Mety hisokatra amin’ny oktobra  ny sehatry ny fizahantany”

Famahana olana ny toekarena sy ny fihariana. Nampanantena ny filoha Rajoelina raha namory ireo mpandraharaha tao Nosy be, omaly fa hojerena ny hanaingana indray ny tontolon’ny fizahantany. 

Nanapa-kevitra ny filoha Rajoelina Andry fa mety ny hanokafana ny fizahantany amin’ny fiando­han’ny volana oktobra izao saingy miankina amin’ny covid 19 izany. Noraisiny izany fanapahan-kevitra izany, taorian’ny fangatahan’ireo mpandraharaha eo amin’ny fizahantany hanokafana na amin’ny ampahany fotsiny ny asa fiveloman’izy ireo aza. «Anisan’ny fepetra hampiharina amin’izany ny tokony hanaovana fitiliana ireo rehetra hiditra an’i Nosy Be any am-piaingana na eo am-pidirana. Tsapanay ny fitarainanareo. Azo eritreretina tsara ny hanokafana ny seha-pihariana. Vonona izahay ny hirosoana amin’izany», hoy izy. Nampa­nantenain’ny filoha ny hampihenana hatramin’ny 50% -n’ny fandaniana ara-bolan’ireo mpisehatry ny fizahantany amin’ny sehatry ny angovo ka hametrahana ivontoeram-pamokarana angovo azo havaozina azo avy amin’ny masoandro mandavantaona, ao Nosy -Be.

Mpizahatany hatramin’ny iray hetsy

Niantso ny mpandraharaha hampiasa vola, indrindra amin’ny fananganana fotodrafitrasa ilaina amin’io sehatra io ny filoha. « Ilaina amin’ny fifaninanana hisintonana mpizahantany ny fotodrafitrasa mifanaraka amin’ny filan’ny mpanjifa. Tanjona ny hisintonana mpizahatany hatrany amin’ny iray hetsy 80.000 eo izany izao. Ampitomboina ny toerana handraisana ny vahiny sy ny sehatrasa mifanaraka amin’izany », hoy ny filoha. Natsidiny fa efa nisy fifampiresahana amin’ny kaompaniam-pitaterana ana habakabaka Emirates hahafahana manatanteraka ny tetikasa hanokafana sidina mampitohy an’i Dubai- Nosy-Be. Nandroso va­haolana ho an’ireo tsy mai­n­tsy mindram-bola eny amin’ireo mpampindram-bola madinika ny filoha ny hanalefahana ny tahan-jana-bola ao anatin’ny 12 volana. Natokana ho an’ireo mpiasa efa ara-dalàna eny amin’ny CNaPS anefa izany fepetra izany.
Tsiahivina fa niatrika ny fihaonana ireo mpandraharaha vahiny sy teratany amin’ny sehatry ny fizahantany araka ny sokajiny avy.

Synèse R.

Les commentaires sont fermées.