Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
Préc Suiv

Famatsiam-bola vahiny-Covid-19 : 186,4 tapitrisa dolara ny vola efa azo

Ela ny ela, nanome ny an­tsipiriany mikasika ny fama­tsiam-bola avy amin’ny mpamatsy vola iraisam-pirenena hiadiana ny Covid-19 ny fanjakana malagasy, tamin’ny alalan’ny minisiteran’ny Fitanta­nam­bola sy ny Toekarena. Mitotaly 671,73 tapitrisa dolara ny sora-bola azo na koa mbola hifampidinihina miaraka amin’ny mpamatsy vola.
Efa nivoaka, nirotsaka tao anatin’ny kitapombolam-panjakana ny 186,4 tapitrisa dolara tamin’io avy amin’ny Ban­ky iraisam-pirenena (BM) sy ny Tahirimbola iraisam-pirenena (FMI). Nanentsenana ny tetibolam-panjakana sady nampiasaina tamin’ny fandaniana ara-tsosialy ny 165, 99 tapitrisa dolara tamin’io, avy amin’ny FMI. Namatsiana ny drafitrasa hifehezana ny Covid-19 kosa ny 20,41 tapitrisa dolara avy amin’ny BM, nividianana fitaovana, toy ny “respirateurs”, ny “concentrateursd’oxygènes”, ny “radiographies numériques” ary ny fitaovana fiarovana ho an’ny mpitsabo, toy ny EPI. Namoa­hana ny fanampiana sosialy “Tosika fameno” ho an’ny fianakaviana marefo miisa 150.000 koa ny 4,67 tapitrisa dolara tamin’io avy amin’ny BM io.
Mitentina 483,33 tapitrisa dolara ny vola, izay mbola eo an-dalam-pifampidinihana sy efa vita sonia, saingy tsy mbo­la navoakan’ny mpamatsy vola.

Njaka A.

Les commentaires sont fermées.