Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
Préc Suiv

Banky Badea: 20 tapitrisa dolara hanamboarana ny “flyover”

Banky Badea: 20 tapitrisa dolara hanamboarana ny “flyover”

Ho tanteraka ihany ny hananganana tetezana mihantona « flyover » eto an-dRenivohitra. Hamaha betsaka ny fitohanan’ny fifamoivoizana izany sady hanatsara endrika ny tanàna ihany koa.

Tsy tokony hisy intsony ny sakana tsy ahavitan’ny tetezana mihantona « flyover ». Miisa roa ny hatao ka eny Andohatapenaka-Am­pasika ny iray, ary eny Anosizato ny faharoa. Ani­san’ny hamatsy vola hanatanterahana ny asa ny Banky arabo ho an’ny fampandrosoana an’i Afrika (Badea), mitentina 20 tapitrisa dolara. Ha­nombohana ny asa, amin’ity taona ity, avy amin’ny fama­tsiam-bola anatiny an’ny fanjakana malagasy. Avy amin’ny Badea kosa ny tohin’ny asa. Mandritra ny 30 taona ny fampindramam-bolan’ny Badea ka 1% isan-taona ny zanabola, fa afaka 10 taona kosa vao manomboka ny famerenam-bola. Anisan’ny asa atao ny fanamboaran-dalana mirefy 8 km sy ireo tetezana. Mety mbola hitombo io famatsiam-bola io, arakaraka ny fizotry ny fifampiresahana amin’ny Badea. Nampahafantarina nandritra ny filakevitry ny minisitra, ny 29 jolay teo, ity tetikasa ity.

Tetikasa tsy tanteraka tany aloha
Efa namolavolana tetikasa hananganana ny tetezana mi­hantona flyover, tamin’ny taona 2015 ny fitondrana tamin’izany. Vita ny kisary nokasaina niainga tetsy Anosy hatreny Ambohibao, sy ny tomban’ny tetibola. Nampi­dirina tao anatin’ny tetikasan’ny filoham-pirenena Rajao­na­rimampianina ity tetikasa ity, tamin’izany fotoana izany fa zary nijanona ho nofy tsy tanteraka, toy ireo tetikasany hafa marobe, tsy nety nanomboka na tsy vita hatramin’ny farany ihany koa.

Njaka Andriantefiarinesy

Les commentaires sont fermées.