Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
Préc Suiv

Ambohijanaka : trano telo voatafika, vehivavy iray voaolana

Mirongatra ny tsy fandriam-pahalemana. Tao anatin’ny alina iray monja, tokantrano telo indray lasibatry ny jiolahy fitaovam-piadiana teny amin’ny fokontany Soarano, village Soavinandriana, kaominina Ambohijanaka, ny talata alina teo manodidina ny ta­min’ny 11 ora. Lasan’ireo andiana tovolahy miisa 08 tsy nisaron-tava manodidina ny 15 taona avy ny vola 5.000Ar, sigara, bokin’omby tao amin’ireo tompon-trano. Tsy vitan’izay fa mbola nanamparan’ireo olon-dratsy ny filan-dratsiny koa ny vehivavy efa ma­nam­bady iray 22 taona. Voka­ny, jiolahy miisa efatra, nifandimby nanolana azy tamin’izany. Vita izay, nifindra tamina tokantrano iray hafa tsy lavitra teo ireo olon-dratsy. Lasan’ ireo jiolahy tamin’izany ny akoho miisa telo sy sigara singany roa. Mbola saika hanafika ireo mpanofa trano tao ambony rihana koa ireo andian-jatovo saingy nandamoka izany.
Nanohy ny diany ireo andian-jatovo ka namonjy trano iray hafa izay nisy olona miisa dimy. Nampihorohoro ny tompon-trano ny jiolahy ka namaly azy ireo ny tompon-trano sy tsy namoha ny trano. Tezitra anefa ireo olon-dratsy ka nanapoaka basy indroa. Taorian’izay, nanakorontana ireo tompon-trano izy ireo ka tsy nahazo na inona. Toarian’ izay, nitsoaka ireo jiolahy, ny zandary kosa tsy nahazo antso raha tsy manodidina ny tamin’ny 12 ora alina. Hita teny an-toerana ny vodina bala miisa roa. Nomarihin’ny zandary fa nanao arotava (masque) ny iray tamin’ireo jiolahy. Hatre­to, mbola tsy misy ny olona ahina nahavanon-doza. Miso­katra ny famotorana.

Henintsoa Hani

Les commentaires sont fermées.