Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
Préc Suiv

Tratra teo Analakely: nidoboka am-ponja ilay mpanendaka

Nidoboka am-ponja, omaly, rehefa avy natolotra ny fampanoavana ny jiolahy iray tratran’ny polisy nanao fanamiana sivily nanendaka vehivavy teo Analakely. Raha ny fampitam-baovao avy amin’ny polisy avy ao amin’ny kaomisarian’ny boriborintany voalohany (CSP1) Analakely, mipetraka eny Paraky Tsarasaotra ity jiolahy ity. Nambaran’ilay jiolahy nandritra ny famotorana fa telo lahy izy ireo ka ny fanaovan’izy ireo amin’izany dia mijery ireo olona mety hoendahina. Matetika, vehivavy hatrany ny tena lasibatra. Arahin’izy ireo avy ao aoriana ka rehefa tonga amin’ny toerana mety hanaovana izany, sintonin-dry zalahy mafy amin’izay. Tonga nitaraina teny amin’ny biraon’ny CSP1 Analakely ilay vehivavy voaendaka nitantara ny nanjo azy.

J.C

Les commentaires sont fermées.