Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
Préc Suiv

Raha tsy nalaky tonga ny polisy: saika matin’ny fitsaram-bahoaka ilay mpanendaka

 

 Tra-tehaky ny fokonolona, omaly antoandro tokony ho tamin’ny 1 ora teny Ampasika-Itaosy, ny lehilahy iray avy nanendaka vehivavy teny Anosimasina Itaosy. Raha ny nambaran’ny loharanom-baovao, roa lahy ireo mpanendaka fa tafatsoaka ny iray raha voasambotra kosa ny iray. Vokany, niharan’ny hatezeram-bahoaka ka saika maty raha tsy tonga haingana ny polisy. “Mandeha ny fanadihadiana ny raharaha”, hoy ny polisim-pirenena. « Ramatoa iray mpivarotra ronono ny norobain’ireo mpanendaka. Nontsidroniny antsy ny kibony ary nitsoaka izy ireo avy eo », hoy ny fanazavan’ny mponina eny an-toerana. Taorian’izay, nitsoaka nidina tany an-tanimbary ireo mpanendaka ka nifanenjehan’ny fokonolona. Nambaran’ny loharanom-baovao iray fa latsaka tampoka anefa ny basin’ireo olon-dratsy ka voarain’ny ankizy. Basy izay tsy nahitana bala ary efa nomena ireo mpitandro filaminana tonga teny an-toerana. Ilay lasibatry ny asa ratsy kosa, nalefa nitsabo tena eny amin’ny hopitaly Itaosy. Ao ireo nilaza fa namoy ny ainy ilay ramatoa, antony nampiakatra ny hatezeran’ireo mponina.

Henintsoa Hani

Les commentaires sont fermées.