Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
Préc Suiv

Ozinina 5 an’ny Star mikatona vonjimaika

Nanapa-kevitra ny mpitantana ny orinasa Star, mpamokatra zava-pisotro, fa mikatona vonjimaika ny ozinina famokaran’izy ireo. Voakasik’izany ireo ozinina miisa dimy, mamokatra ny vokatra Star, toy ny eny Andraharo, ny any Ambatolampy, ny any Antsirabe, ny any Andranovelona ary ny any Antsiranana. Antony, maro ny mpivarotra mikatona na koa mihena ny fotoana hivarotana, nateraky ny fihibohana amin’izao krizy ateraky ny Covid-19 izao ka nidina be ny fanjifana. Nanomboka ny 28 jolay teo hatramin’ny 31 aogositra 2020 no nandraisana izany fanapahan-kevitra izany amin’ny ankapobeny, saingy arakaraka ny tinadin’ny mpanjifa ny hisokafany. Izany hoe, miverina miasa ny mpiasa any amin’ny ozinina voakasiky ny tinady raha misy tsy ampy ny tahiry.

Etsy ankilany, mitohy ny fanapariahana ny vokatra ho an’ny mpanjifa. Mitohy misokatra avokoa ny sampandraharaha mifandray amin’ny mpanjifa, mandray ny filàn’izy ireo.

Njaka A.

Les commentaires sont fermées.