Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
Préc Suiv

Janoary – mey 2020: matiantoka 320 miliara dolara ny fizahantany

Matiantoka 320 miliara dolara ny fizahantany eran-tany, ny volana janoary hatramin’ny volana mey 2020, noho ny valanaretina Coronavirus, araka nambaran’ny Fikambanana iraisam-pirenena momba ny fizahantany (OMT). Hitombo hatrany io fatiantoka io hatramin’ny faran’ny taona. Latasaka 80 % ny mpizahatany amin’ity taona ity, asa mivantana 100 hatramin’ny 120 tapitrisa no very amin’izany sehatra izany. Tsy mbola hita mangirana ny masoandron’ny fizahantany satria mety hiverina hahazo vahana ny Covid-19, mahatonga ireo firenena maro efa mandray fepetra manidy ny sisin-taniny.

Sehatra hafa mandalo krizy noho ny fizahantany mikatso izay ny fitaterana ana habakabaka. Tsy tafarina mialoha ny 2024 ny fitaterana ana habakabaka, miampy iray taona indray ny fahavoazana, araka ny voalazan’ny Association internationale du transport aérien (Iata), ivondronan’ny kaompania mpitatitra 290. Nihena 63 % hatramin’izao ny fitaterana, raha noheverina ho 55 % teo aloha. « 419 miliara dolara ny very amin’ity taona ity”, hoy ny ao amin’ny Iata.

 

R.Mathieu

 

Les commentaires sont fermées.