Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
Préc Suiv

Hevitra mandalo; resaky ny mpitsimpona akotry: Onjan’ny tononkiran’ny Mahaleo

Ao anatin’ny fihibohana samy mikarokaroka an’izay afaka ataony amenona ny andro mba tsy ho lany fotsiny amin’ny fidananam-poana ; Na tsy ny fihenona aza no afaka atao anton-draharaha, iaraha-mahafantatra fa ny mozika sy ny hira tsy vitan’ny fandrotsirotsina sy ny fitoniana entiny eo anivon’ny fahasorenana mananontanona ny rehetra ateraky ny fitombon’ny fahasahiranana sy noho ireo sembatsembana samy hafa izay tsy ahafahana manoatra.
Raha sendra miheno ranoray ny hiran’ny Tarika Mahaleo mandritran’ny fotoana maharitra, dia mahatsiaro tsara fahana ny fanahy ary mety ho diso voky aza ny saina, kely foana sanatria dia mandrezatra hevitra izay mifamaofao ao an-doha. Gaga ihany fa na ireo hira novokariny efapolo taona lasa aza toy ny miresaka ny toe-draharaha ankehitriny. Tsy hita ho tanisaina avokoa ireo sangan’asa nifanesy nohenoina fa injao mitamberina ao anaty ary mahavelon-tsioka ireo feon-kira no mifamaofao ao an-doha ny tononkira isan-karazany. Tsy nisy hevitra nataon’ny Mahaleo ho fady tsy afaka resahana moa, ny hany nataony sedran’izay dia ny ezaka ahafahana milaza azy am-pihajana izany hoe sady tsy teny valavala no tsy teny afaka andratra. Noteteziny avokoa ny lafin’ny hira-pitiavana, tsy nataony ambanin-dresaka koa izay mety ho fomba fiseho eo anivon’ny fiarahamonina, ary nananany fahasahina ny firesahana ny toe-draharaha-pirenena. Toy ny fisotrona toaka tafahoatra raha niheno maharitra ny Mahaleo dia lasa maha mamomamo, izany hoe maniditsidina ny saina. Raha mifangaroaro ny tononkira toa misy fifandraisana avokoa na ny hira-pitiavana na ny hira miresaka sôsialy na pôlitika. Sanatria mahiratra nohon’ny mahiratra ny fiheverana ny tena. Faniditsidinana izay, na izany aza mety ahatsikaritra hevitra mifono izay tsy tazana teo aloha. Ny tena koa moa dia nofo sy rà ihany ka tsy mety fa ny tontolo manodidina no mifantoka ao an-tsaina. Raha misy ady resaka mafana ankehitriny dia ny momban’ny fangaraharana. Maro dia maro ireo mponina tena latsaka anaty fahasahiranana tsy anoharana, mila fanampina izy ireo, raha araky ny fahenona ny feo dia maredona ny fitakin’ireo tsy mbola nahazo ny anjarany. Hira-pitiavana vokatry ny tarika Mahaleo no tonga an-tsaina, ditra anefa no lohateny «  areheto ny jiro, aoka izay ny safosafo ndrao dia vidina lafo ». Ny hira tena miverimberina anefa dia ny firedon’ny rehetra ny « ampindramo » hoy ny vahoaka «  ampindramo herin-tsaina hiaretako ny ngidy, fa mafy ady mafy adidy, manahy sy mitaintaina. » Afaka heverina koa eo andaniny ireo mpitondra tototry ny fahasahiranan-tsaina ka isaky ny mifoha dia velom-bavaka «  ampindramo haditrana hiarovako ny taniko, izay tena tiako sady mamiko raha toa izany ka ilaina ».
Aoka kely sao heverinao hoe mirediredy anie aho. Sao ataonao hoe mianika azo anie aho. Tsia, ireny mampita fotsiny hevitra nambolen’ny Mahaleo aho, izay ny mba anjara kely adidy efaina.

Léo Raz

Les commentaires sont fermées.