Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
Préc Suiv

Fiahiana sosialy: nanampy ireo sahirana ao Nosy Be ny filoha Rajoelina

Fiahiana sosialy: nanampy ireo sahirana ao Nosy Be ny filoha Rajoelina

Naniraka ny mpiara-miasa aminy ny filoha Rajoelina Andry hitondra fanampiana ho an’ny mponina ao Nosy Be. Tsapan’ny filoha ary hitany maso ny fahasahiranan’ny vahoaka ao an-toerana manoloana ny krizy ara-pahasalamana atrehin’ny firenena tamin’ny fandalovany tany an-toerana, ny fiandohan’ny herinandro teo. Nisitraka izany ny fianakaviana sahirana ao anatin’ny fokontany miisa 42, mandrafitra ny kaominina ambonivohitr’i Nosy – Be. Nitondra izany tany an-toerana ny talen’ny Serasera eo anivon’ny fiadidian’ny Repoblika, Rakotomanga Rinah. Natolotra ny ben’ny Tanàna, i Vita Giblert, omaly tao amin’ny kianjan’i Ambodivoanio, izany. Ahitana vary miisa 900 gony, menaka sy siramamy izany fanampiana voalohany izany ary haharitra roa andro ny fizarana. Nisitraka izany ireo tokantrano miisa 100 ka mahazo vary iray gony, siramamy sy menaka isany avy ny tokantrano iray. Tsiahivina fa anisan’ireo tafiditra ao anatin’ny faritra sahirana amin’ny toekarena sy ny fampandehanana asa ny ao Nosy Be noho ny fisian’ny Covid-19. Mikatso avokoa ny fitadiavam-bolan’ny mponina, miantehitra amin’ny fambolena sy ny varotra “ylang ylang”. Eo koa ny fizahantany. « Zava-dehibe ny fanampiana avy amin’ny fitondram-panjakana tahaka izao », hoy ny ben’ny Tanàna.

Tsiahivina fa efa nanolotra fitaovana sy kojakoja ho an’ny hopitaly ao Nosy-Be ny filoha ary nanome tambiny fampirisihana ireo mpiasan’ny fahasalamana koa.

Synèse R.

Les commentaires sont fermées.