Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
Préc Suiv

Espoirs Sportifs du Tuléar: hotohizana hatrany ny tetikasa

Ho fanohizana hatrany ny tetikasa hatsangan’ny fikambanana Espoirs Sportifs du Tuléar, nitondra fanazavana mahakasika ny fanatsarana ny kianjan’ny prefektiora ao Toliara ny filohan’ny fikambanana, i Vital Serge. Nambarany fa tsy mbola nahazo valiny tamin’ny taratasy fangatahana alalana ahafahana manavao ity kianja ity ny tenany, raha toa ka efa roa volana izay ny nandefasana izany any amin’ny tomponandraikitra. Nanamafy anefa ny filohan’ny fikambanana, i Vital Serge, fa tsy afaka miandry ela ny amin’izany izy fa tsy maintsy hotohizana ny tetikasa. Araka izany, hajanona aloha ny fanavaozana ny kianjan’ny prefektiora raha toa ka tsy mbola mahazo valiny ao anatin’ny 10 na 15 andro ka hivadika tetikasa vaovao. Efa misy kianja miisa roa ao Toliara sy ivelan’i Toliara, vinavinaina hanaovana fanavaozana.

Fantatra nandritra ny resaka nataon’i Vital Serge tao amin’ny pejy facebook-ny ihany koa fa efa maro ny tetikasa vita ; isan’izany ny kianjan’Ambohitsabo. Mbola betsaka anefa ny vina ary tsy maintsy tanterahina, araka ny tarigetra napetraka: ny hampandroso ny fanatanjahantena sy hitsinjo ny hoavin’ireo tanora, tsy ao Toliara ihany fa manerana mihitsy ny Nosy.

 

Mi.Raz

Les commentaires sont fermées.