Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
Préc Suiv

ECD sy “vacataire” amin’ny sekoly teknika: mitaraina fa 10 volana tsy nandray karama  

Manaitra ny tomponandraikitra ny mpiasa ECD sy ny « vacataire » eo anivon’ny sekoly fampianarana teknika sy ny fanofanana momba ny asa eto amin’ny faritra Analamanga fa tsy mbola nandray karama, nanomboka ny volana oktobra 2019 hatramin’izao fotoana izao (10 volana). Nambaran’ny mpitondra teny fa maro ny dingana narahina teo anivon’ny minisitera mpiahy fa tsy mbola nisy vahaolana naroso, hatreto. Misy fiantraikany amin’ny fiainan’izy ireo ny tsy fandraisana karama satria tsy vitsy ny voatery niala amin’ny trano noho ny tsy fahaloavana intsony hofan-trano. Ny sakafo, lasa tsy zarizary mihitsy ka mitarika aretina ho an’ny ankohonana. 200 eo ho eo izy ireo no voakasika ny raharaha. Ny asa anefa, mitohy hatrany ho an’ny mpandraharaha sy ny mpampianatra eny amin’ny sekoly teknika. Misy zavatra tsy mazava mihitsy momba ny karama ka hanatona ny tomponandraikitra izy ireo anio hijery ifotony ny olana tsy hivoahan’ny karama 10 volana, araka ny fanazavana.

Vonjy        

Les commentaires sont fermées.