Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
Préc Suiv

Ambohimangakely: nidoboka eny Tsiafahy ilay zandary nitifitra ny namany

Taorian’ny fampanoavana afakomaly, naiditra vonjimaika am-ponja eny Tsiafahy ilay zandary nahatifitra ny namany. Tranga iray niseho teny Ambohimangakely ny herinandro lasa teo. « Tsy nisy fifamaliana teo amin’ireo zandary, araka ny feo niparitaka. Ny azo ambara, bala nidona tamin’ny tany ny nahavoa ilay zandary mpiana-draharaha io. Antony namparatra azy sy ilay sivily iray tratran’izay koa teo amin’ny sofiny», hoy ny fanazavan’ny loharanom-baovao iray. Nambarany fa samy zandary mpiana-draharaha ireo zandary roa. Nohazavainy koa fa nanana olana manokana ilay mpiana-draharaha iray ka tsy fantatra ny antony nahatonga azy nanapoaka ny basiny. Taorian’ny tranga, nisokatra avy hatrany ny fanadihadiana. Voasambotra ihany koa ilay zandary nanapoaka basy. Ilay zandary voatifitra kosa, nalefa teny amin’ny hopitaly miaramila Soavinandriana nanaraka fitsaboana. Tonga nijery maso azy teny ny Zandrimariam-pirenena ka nanolotra ranom-boakazo azy. Mbola eny an-toerana ralehilahy ankehitriny ary efa tsy ahina kosa ny ainy.

 

Henintsoa Hani

Les commentaires sont fermées.