Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
Préc Suiv

Filoha Rajoelina : hamboarina ny lalana RN6

Filoha Rajoelina : hamboarina ny lalana RN6

Anisan’ny nasian’ny filoha Rajoelina Andry teny, nandritra ny fandalovany tany Antsiranana, omaly, ny hanarenana ny lalam-pirenena RN6. Hanomboka tsy ho ela ny fanamborana ny lalana miainga eo Ambanja hatrany Antsiranana. Efa nambarany tamin’ny volana novambra 2019 fa hatomboka amin’ity taona 2020 ity ny asa. Ny tena ratsy indrindra amin’ity lalana ity, ny ampahany eo Ambilobe hatrany Antsira­nana, mirefy 130 km, nefa atao ao anatin’ny adiny 8 hatramin’ny 12 ora.
Efa nanao fiantsoana iraisam-pirenena (AMI) ho an’ny orinasa liana hanao ny asa ny Antokon-draharaha misahana ny lalana eto Ma­dagasikara (ARM), ny jona 2018, vatsin’ny Banky eoropeanina ho an’ny fampiasam-bola (BEI) sy ny Vondrona eoropeanina (UE), saingy tsy nisy tohiny sady tsy nanomboka ny asa. Nizara roa ny ampahan’ny asa, ny Ambanja (PK 467+000) hatreo Ambi­lobe (PK 568+720), sy ny ampahany faharoa Ambilobe (PK 568+720) hatrany Antsi­ranana (PK 700 + 080).
Nambaran’ny filoham-pirenena tany Antsiranana koa fa efa hamboarina ny lalana mankany amin’ny toera-pitsangantsanganana Ramena.

Njaka A.

Les commentaires sont fermées.