Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
Préc Suiv

Toamasina: niakatra fampanoavana ilay miaramila nidaroka lahiantitra

Niakatra teo anivon’ny fampanoavana, omaly teny amin’ny fitsarana ambaratonga voalohany ny raharaha fikasihan-tanana nataon’ny Kaporaly Josoa Jacques Arlaude, miasa ao amin’ny Rezimanta faharoan’ny Jenia Miaramila Barikadimy Toamasina. Tamin’ny 10 ora sy 15 mn no voantso niakatra tao amin’ny mpampanoa lalàna ny mpifanandrina roa tonta ary tsy naharitra ela izany fa teo amin’ny 10 mn dia nivoaka. Tsotra ny tenin’ny mpampanoa lalàna tamin’ny roa tonta hoe mandehana aloha manao raharaham-pihavanana, ataovy izay ahitana marimaritra iraisana fa tsy mahazo manatrika kosa ilay kaporaly fa ny ray aman-dreniny miaraka amin’ny lehiben’ny eo anivon’ny Tafika no mifanatrika amin’ny niharam-boina sy ny fianakaviany ary ny mpisolovava azy. Vokany, taorian’ny fivoahana tao amin’ny fampanoavana dia niantso ny fianakaviany sy ny ray aman-dreniny ity Tafika mpihetraketraka ity hiaraka hitady ny marimaritra iraisana amin’ireo fianakavian’ilay lahiantitra nodarohany. Niroso tamin’ny fifampiresahana tao amin’ny biraon’ny holafitry ny mpisolovava ny roa tonta, taorian’izay. Raha ny fampitam-baovao, nafana ny ady hevitra satria niaiky ny hadisoany ilay kaporaly ary efa nitondra fifonana tamin’ilay lahiantitra tamin’ny alalan’ny lehibeny. Marihina fa olona mpiray fokontany ihany izy ireo. Tsiahivina fa resaka tsy fanaovana arovava no nitarika ny daroka nataon’ilay kaporaly tao Mangarivotra.

Sajo

Les commentaires sont fermées.