Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
Préc Suiv

Nisy ihany ny fanalefahana, saingy… : Mitohy ny fihibohana eto Analamanga

Nisy ihany ny fanalefahana, saingy… : Mitohy ny fihibohana eto Analamanga

Miditra amin’ny 15 andro manaraka isika amin’ny hamehana ara-pahasalamana. Nitondra fanazavana momba ireo fepetra fihibohana anatin’izany ny Praiminisitra Ntsay Christian, omaly. Nisy ihany anefa ny fanalefahana sy fanovana vitsivitsy raha mitaha amin’ny teo aloha.

Nambaran’ny lehiben’ny governemanta tamin’izany fa tazonina ny fihibohana saingy misy ny fanovana vitsivitsy. Anisan’ izany ny fanemorana ny ora fiasana rehetra sy ny tsenam-pokontany hatramin’ny 1 ora raha tamin’ny 12 ora izany teo aloha. Anisan’izany ny asa farahakeliny eny anivon’ny asam-panjakana, ny sehatra tsy miankina raha manana fiara fitaterana. Mifarana amin’ny 1 ora avokoa ireo.

Tsy mbola miasa ny taxi-be sy ny taksiborosy rehetra

Nomena fahafahana misokatra kosa anefa ny toeram-pisakafoana saingy tsy maintsy manaja ny fepetra ary mifarana amin’ny 1 ora.
Etsy andaniny, tsy mbola miasa ny taxi-be sy ny zotram-paritra sy nasionaly. Miasa kosa anefa ny taxi, mitatitra marary na koa mitondra ireo hividy fanafody ka ferana ho olona telo ihany ny azo entina. Malalaka ny fivezivezen’ny fiara mitatitra entana.

Mila fanamarinana ireo manao taingin-droa amin’ny moto

Momba ny taingin-droa amin’ny moto kosa, azo atao izany ho an’ny fianakaviana na havana araka ny nambaran’ny praiminisitra, saingy tsy maintsy mitondra fanamarinana
Tsy mbola mianatra ny mpianatra na ireo hanala fanadinana aza ary mbola mihatra ny tsy fahazoana mivezivezy amin’ny alina, manomboka amin’ny 8 ora hatramin’ny 4 ora maraina. Mbola voarara koa ny tsy fahazoana mitondra razana mivoaka na miditra an’Analamanga.

Hisy fanaraha-maso ny vidin’entana sy fanafody

Ho an’ny any Toamasina I sy II ary Moramanga sy Fe­noarivo Atsinanana, nohalefahana izany ka mirava amin’ny 5 ora ny mpiasa ary mifarana amin’ny 7 ora ny fitaterana.
Ankoatra izany, nohitsin’ny praiminisitra fa maimaimpoana ny fitsaboana sy ny fanafody. «Tsy tokony hisy hitaky vola. Azo toriana ireo manao izany satria fanararaotana. Tsy tafiditra ao anatin’ireo anefa ireo efa manana aretina mitaiza», hoy izy. Ma­nampy izany ny nametrahana ny vovonana «plateforme digital» anaraha- maso ny ady atao amin’ny valanaretina. Man­drindra sy mijery ireo foibe afaka mandray marary avy hatrany izany. Eo koa ny Borigady manokana «BIS», afaka midina ifotony manamora ny fahafahan’ny olona ma­hazo fitsaboana sy fanafody.
Etsy andaniny, hisy ny fi­tsirihana sy fanaraha-maso ny vidin’entana ka tafiditra ao anatin’izany ireo tena ilaina amin’ny fiainana andavanandro (PPN) sy ny vidim-panafody.

Synèse R.

Les commentaires sont fermées.