Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
Préc Suiv

Fondation Tany Meva : nitombo 77% ny zava-bita ny 2019

Fondation Tany Meva : nitombo 77% ny zava-bita ny 2019

Niforona ny taona 1996 ny fikambanana Fondation Tany Meva. Misehatra amin’ny famatsiam-bola tetikasa mikajy ny tontolo iainana sady manampy ny mponina any ifotony, hanatsarana ny fidiram-bolany ny zavatra sahaniny. Nahatratra 4,9 miliara Ar ny famatsiam-bolany, ny taona 2019. Niisa 52 ny tetikasa vaovao notohanana, nahitana fitomboany 77% raha oharina ny taona 2018. Nisitraka izany ny vondrona olona ifotony, ny fikambanana, ny orinasa, ny mpikaroka siantifika, na olon-tsotra, nanerana ny faritra 17 eto Madagasikara. Mifantoka amin’ny fanatsarana ny fari-piainan’ny mponina eny ifotony kosa ny 70%-n’ireo tetikasa.
Anisan’ny fiovana natao nandritra ny taona 2019, ny famerana ny tetibolan’ny famatsiam-bola tsy hihoatra ny 20.000 dolara. Noferana tsy hihoatra ny 35% ny tetibola ho an’ny lafiny fiofanana, ny fanentanana, ny serasera, ny fampandehanan-draharaha. Nomena vahana ny tetikasa mifantoka amin’ny fambolen-kazo sy ny fampandrosoana mivantana, toy ny fananganana fotodrafitrasa, ny fampidiram-bola ny olona eny ifotony, sns. Natao laharam-pahamehana koa ny famatsiam-bola ny tetikasa lehibe mitentina mihoatra ny 75.000 dolara, atao mihoatra ny dimy taona.

Njaka A.

Les commentaires sont fermées.