Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
Préc Suiv

Hevitra mandalo Resaky ny mpitsimpona akotry: Nodimandry diso levenana any amin’ny fasan-drazany

Noho ity valanaretina covid ity, tsy izay lavon’io aretina io ihany fa izay rehetra namoy aina nohon’ny antony samy hafa na aretina izany na fahavoazana tampoka hafa, no mety diso anjara amin’ny fametrahana ny vatana mangatsika andry am-piadanana any amin’ny fasan-drazany. Mba tsy ahafahan’ilay otrikaretina miparitaka, tsy afaka mandevina ivelan’ny faritra Analamanga ny mponina mana-manjo. Efa fandeferana lehibe izany ho an’ny Malagasy izay lavitry ny toeram-piaviny ny toerana nahafatesany. Fa na ohatra aza eto Imerina avokoa ny toerana nahafatesan’olona iray sy ny fasan-drazany dia efa mety iseho ny olana tsy ahafahana manatitr’azy eo ankilan’ny razany. Sanatria olona namoy ny ainy teo Alakamisin’ny Fenoarivo ka eny Imerintsiatosika ny fasany dia sarotra ny fazahon’ny havany alàlana andevina azy eny, aloha kely an’Imerintsiatosika no fizaran’ny faritra Analamanga sy ny Faritra Itasy. Araky ny kolotsaina nitaizana ny mponina malagasy anefa dia karazana fasan’anirotra ihany ny toerana nametrahana an’izay tsy nalevina any amin’ny fasan-drazany. Asa raha mbola afaka hitaiza an’izay kolotsaina izay ny maro. Efa nisedra toe-draharaha toy izao moa ny mponina ary nohon’ ny antony mitovitovy dia ny hamehana ara-pahasalamana. Tamin’ny taona 1930 raha nienaka teto an-toerana ny valanaretin’ny pesta dia enjana ny fepetra notapahan’ny fahefan’ny fanjanahana. Nararaotin’izy ireto angamba io tranga io andravana ampahan’ny kolotsaina fototra eo amin’ny maha Malagasy ny Malagasy, ny fifamalin’ny fitsinjovan’ny razana ny velona sy ny fikojakojan’ny velona ny fahatsiarovana ny razana, fakany nahafahana nitsiry. Diso fiheverana ny mpanjanaka telo taona taty aoriana, nanomboka nahazo vahana hatrany ny famadihana izay nahita rariny tamin’ny alalan’ny fampodina ny taolambalon’ireo diso levenana tany ivelan’ny fasan-drazany.
Tsy ampandotso ny ady hevitra momban’ny famadihana izay notadiavin’ny mpanjanaka nozimbazimbaina tamin’ny fitsikerana fampitahina ny famadihana amin’ ny fanompona sampy. Aoka re tsy ifanebaka ! Samy manana ny fombany, any andafin-dranomasina misy aza ny fasan’alika izay anaterana voninkazo mandavataona. Asa anefa, niova ny toetrandro nitombo ny fahasahiranana. Nefa rehefa tena dinihana tsy misakana ny olona tena sahirana mbola anao ankehitriny ezaka ao anaty fiafiana taona maro, ahafahany anaovana famonosana ny razany anivon’ny lanona manetriketrika ho fahatsiarovana sy fiderana ny fototra nihaviana.

Léo Raz

Les commentaires sont fermées.