Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
Préc Suiv

Ny olona ihany no tena mitondra sy mamindra…

Ny olona ihany no tena mitondra sy mamindra…

Mitohy hatrany ny ady. Tsy mijanona na ajanona izay, raha tsy resy tosika ny valanaretina Covid-19: fandresena. Mby aiza? Ny faritra Analamanga no ivon’ny valanaretina amin’izao. Nahoana? Lazaina matetika ny hoe fahavalo tsy hita maso no iadiana, mora mifindra, tsy mifidy olona toerana…
Na eo aza ny hoe mety mifindra amin’ny alalan’ny rivotra ny tsimokaretina, ny olona ihany no tena mitondra sy mamindra azy. Mbola hitadiavan’ny sehatra iraisam-pirenena porofo ny hoe entin’ny rivotra ny tsimokaretina: raha marina, tsy ampy ny fihibohana fotsiny na mila diovana ny rivotra?
Na ahoana na ahoana, tsy hita maso ny fahavalo. Na mety mipetraka amin’ny toerana rehetra aza izany, ny olona ihany no tena mitondra sy mamindra ny tsimokaretina. Izay no iarovan-tena amin’ny fihibohana, fanaovana saron-tava, fanajana ny elanelana iray metatra, fanasana tanana matetika…
Averimberina hatrany ny hoe tsy hita maso ny fahavalo, mora mifindra, tsy mifidy olona… Hita maso kosa ny olona mifanerasera amin’ny tena: iarovan-tena, iarovana ny hafa koa. Izay koa no ampihenana, araka izay azo atao, ny mety hisian’ny fifampikasohana na fifaneraserana akaiky sy mivantana.
Tsy fiampangana fa fanahiana sy fahamalinana, heverina ho mety mitondra tsimokaretina ny hafa rehetra. Izay no iarovan-tena. Tsy fantatra koa raha mety mitondra tsimokaretina ny tena, na tsy misy soritr’aretina aza raha tsy atao fitiliana. Amin’izany, aleo mitandrina miaro ny hafa manodidina.
Fifampitsinjovana izany ny fiarovan-tena: manahy olona mety mitondra tsimokaretina ny tena sady ahin’ny olona mety mitondra izany koa. Mandringa ary tsy mahomby ny fiarovan-tena amin’ny ady atrehina, raha tsy miara-miatrika amim-pifampitokisana ny rehetra fa horesena ny fahavalo iombonana.
Inona no tena mampitombo isa ny tranga vaovao amin’ny fitondrana tsimokaretina ho an’ny faritra Analamanga? Eny, na hoe mangatsiaka aza ny andro: manome vahana azy ho haingam-pitombo, matanjaka… Mila ho an’ny tsirairay ny daholobe, ary ny tsirairay ho an’ny daholobe. Izay no handresena?

Rafaly Nd.

Les commentaires sont fermées.