Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
    Préc Suiv

    Basikety – Fiba : nifarana omaly ny fiofanana ho an’ny mpitsabo

    Basikety – Fiba  : nifarana omaly  ny fiofanana ho an’ny mpitsabo

    Tapitra, omaly, ny fampiofanana nampitain-davitra, ho an’ ny mpitsabo, nomen’ny Fiba Afri­ka, nandraisan’i Madagasi­ka­ra anjara. Mpitsabo miisa enina, niampy ny tale teknika nasionaly malagasy, Razafiari­vo­ny Solohery Angelot, ny so­lon­tenatsika niatrika izany, ta­min’ny alalan’ny rohy manokana efa nomen’ny Fiba. Ny 4 jolay nitohy ny 8 sy ny 11 jolay lasa teo ary izao nifarana omaly izao ity fampiofanana ity. Ankoatra an’i Madagasikara, nandray an­jara avokoa ireo firenena mpikambana eo anivon’ny Fiba Afri­ka. Nodinihina nandritra izany ny mahakasika ny fihinanana na ny fandraisana zavatra mampatanjaka. Teo ihany koa ny resaka sakafo ary ny ratra mpahazo ny mpilalao sy ny fitsaboana azy. Traikefa maro ny noraisin’ireo mpitsabo, raha ny nambaran’ny tale teknika nasionaly, i Angelot. “Na olona tsy misehatra amin’ny resaka fitsaboana aza, afaka nandray zava-baovao sy lesona”, hoy ny nambarany. Tsia­hi­vi­na fa efa nisy ny fiofanana ho an’ny mpanazatra sy ny mpitsara lalao ary izao nahazo ny anjarany izao ihany koa ny mpitsabo. Fandaharam-potoana manaraka kasain’ny Fiba Afrika hatao kosa ny fampiofanana ho an’ny Sek­re­tera jeneraly sy ny mpitantana teknika, manana andraikitra le­hi­be amin’ny fampihodinana ny federasiona.

    Mi.Raz

    Les commentaires sont fermées.