Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
Préc Suiv

Tselatra

Lavon’ny zandary nandritra ny fifandonana tamin’ireo andian-dahalo ampolony ny dahalo iray. Tranga niseho tao amin’ny kizon’Amboasary, Andriry, ny alahady teo. Tafaverina tamin’izany ny omby miisa 32 amin’ireo 50 voaroba ny asabotsy teo, tao amin’ny fokontany Ankilimivory, kaominina Anivorano Mitsinjo. Fantatra koa fa novonoin’ireo dahalo ny omby 18 isa. Nirongo basy sy lefona ary pilotra ireo daholo tamin’ny fanaovany ny asa ratsiny.

Nitrangana fanafihana tao Mahajanga Be, ny alahady teo manodidina ny tamin’ny 8 ora sy sasany alina. Lasan’ireo jiolahy efa-dahy mitam-basy tamin’izany ny volan’ireo tompon-trano teratany karana. Lasa nandritra izay koa ny fiaran’izy ireo. « Nivoaka ireo tompon-trano ka ny mpiambina irery no nijanona tao amin’ilay toerana. Nandritra izay anefa, nampiditra ny namany telo lahy izy », hoy ny fanazavan’ny polisy ao Mahajanga. Nony tafaverina anefa ireo tompon-trano, norahonan’ireo jiolahy nitam-basy.

Les commentaires sont fermées.