Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
Préc Suiv

Tratran’ny polisin’Itaosy: olona 17 tratra tao amin’ny bar, indray nampidirina “violon”

Tratran’ny polisin’Itaosy: olona 17 tratra tao amin’ny bar, indray nampidirina “violon”

Ankoatra ny teny Ampitatafika, tratra koa ny tompon’ny bar sy ireo olona mbola nanjifa tao aminy teny Itaosy, omaly. 17 indray ireo nampidirina “violon”.

Mafiloha! Nampidirina “violon” ao amin’ny kaomisarian’ny polisy (CSP) Itaosy, omaly, ireo olona miisa 17 ka isan’izany ny tompona bar iray tratra teny Itaosy rehefa tsy nanaja ny fepetra rehetra momba ny ady amin’ny fiparitahan’ny valanaretina Coronavirus. Raha ny fanazavan’ny polisy, mikatona tanteraka ity bar iray eny Itaosy ity raha jerena avy eo ivelany, saingy naheno olona mitabataba ny polisy raha nandalo teo amin’ilay toerana. Noteren’ny polisy ilay tompona bar hanokatra ilay trano fivarotana sy fisotroana zava-pisotro misy alikaola mba hanokatra ilay trano ka mbola teo am-pirevena mihitsy no tratran’ny polisy ireto mpirevy miandahy miambavy ireto. Noraofin’ny polisy avy hatrany izy ireo ka naiditra “violon” ao amin’ny kaomisaria. Nohamafisin’ny polisy fa mbola maro ireo tsy tonga saina ary minia mikipy manoloana izao fihanaky ny valanaretina Coronavirus izao ka mitady irika hatrany hivoahana ny trano. Manamora ny fiparitahan’ny aretina ny fihetsika toy izao. “Tsy hilefitra amin’ireo olona sarotra tenenina ny polisim-pirenena fa hampihatra hatrany sazy ho an’izay mandika ny lalàna efa napetraka”, hoy ny polisy.

Jean Claude

Les commentaires sont fermées.