Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
Préc Suiv

Tanambao I – Toamasina: mitaky ny fialan’ny sefo fokontany ny mponina

Tanambao I – Toamasina: mitaky ny fialan’ny sefo fokontany ny mponina

Nidina an-dalambe ary nitondra sora-baventy ny fokonolona ao amin’ny fokontany Tanambao I, zana-paritra 31/21, eto Toamasina, ny alahady 12 jolay teo. Antony, tsy zakan’izy ireo ny fomba fitantanan’ny sefo fokontany ka takiny ny fialany. Nambaran’ny fokonolona fa midangana, mahatratra 25 000 Ar hatramin’ny 30 000 Ar, ny vola takin’ny fokontany hanaovana taratasy fanamarinam-ponenana. Noterena handoa vidina biriky simenitra “parpaing” iray miampy fasika tsirairay ny mponina hanamboarana biraom-pokontany, efa ho 12 taona lasa izao. Saingy, tsy nijoro ny trano, tsy hita popoka ny vola. Izy mianakavy ihany no mitantana ny fitsinjarana ny rano amin’ny paompy, manao ny asan’ny mpitantambola, ny sekretera ao amin’ny fokontany. Tsy manana andraikitra intsony ny lefitra sy ny mpikambana ao amin’ny komitim-pokontany.

Manampy izany, mitaraina ny fokonolona fa tsy nampahafantarina azy ireo ny lisitra mikasika ny Tosika fameno sy ny Vatsy tsinjo farany teo. Maro ireo tsy nahazo izany, amin’ny fianakaviana sahirana, ny zokiolona, ny mpivarotena, sns, ao amin’ny fokontany Tanambao I, zana-paritra 31/21. Nambaran’ny mponina fa ny sefom-pokontany sy ny fianakaviany no tena maro tao amin’ny lisitra nahazo fanampiana. Tsy nekeny hiasa koa ny andrimasom-pokonolona, nefa mirongatra ny tsy fandriampahalemana ao an-toerana.

 

Sajo sy Njaka A.

Les commentaires sont fermées.