Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
Préc Suiv

Radanoara Julien  : “Be ny azo atao itakiana ireo Nosy malagasy”

“Ny tena goavana, ny fakana fepetra toy ny nataon’ny filohan’i Rwanda: fiatoana amin’ny  maha mpikambana ao amin’ny Frankofonia (OIF) aloha, ohatra. Efa marika ngezabe izay.” hoy ny mpahay fifandraisana iraisam-pirenena, Radanoara Julien.

Tokony handefasana ambasadaoro  koa any Aostralia. Firenena matanjaka aty amin’ny vondron-tany izy, saingy tsy ananan’i Madagasikara ambasadaoro. Nefa tena atahoran’ny Frantsay amin’ny faritry ny Ranomasimbe Indianina izy, ary tsy mankatoa ny fibodoan’ny Frantsay an’ireo Nosy malagasy ireo.

“Tokony hatao avokoa izany, efa marika ngezabe eo amin’ny sehatra iraisam-pirenena ary hampahafantarina ny Frantsay fa mamaly isika fa tsy mipetra-potsiny”, hoy izy. Jerena ary hanaovana diplaomasia avokoa ireo firenena afrikanina tsy mifankahazo loatra amin’ny Frantsay.

Mila tandremana ny fanakorontanana

Izao no tena tandremana mafy: efa be dia be ny fanakorontanana nataon’ny Frantsay. Misy mpanao politika hitam-poko hitam-pirenena ary ren’ny rehetra ny fitenenana hoe: inona no iresahana ny Nosy malagasy sy iadiana amin’ny Frantsay fa tsy ny Coronavirus aloha no eritreretina? Tena mpisolelaka amin’ny Frantsay, hatramin’izay ka hatramin’izao ireny ary  hampiasainy hanakorontana ny firenena.

Tsy Coronavirus irery ny fiainam-pirenena. Ao anatin’izany ny politika, ny toekarena, ny sosialy… Tsy maintsy atrehina ny fihanaky ny valanaretina Covid-19, fa tsy maintsy atrehina koa ny fiainam-pirenena ankapobeny.

R.Nd.

Les commentaires sont fermées.