Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
Préc Suiv

Nanafika ben’ny Tanàna teo aloha: dimy ireo olona efa voasambotra

Nanafika ben’ny Tanàna teo aloha: dimy ireo olona efa voasambotra

Tra-tehaky ny zandarimaria tao Erada, Ambovombe, ny olona miisa dimy. Jiolahy nanatanteraka mivantana ny fanafihana sy ny fitifirana ny ben’ny Tanàna teo aloha sy ny vadiny, ny alahady teo. Tsiahivina fa voatifitr’ireo jiolahy ireto olom-boafidy mivady ireto, niampy olona roa hafa ihany koa. Tonga teny an-toerana ny zandary nanao famotorana. Voasambotra taorian’izay ny olona miisa telo, voalaza ho isan’ireo olon-dratsy. Nony namonjy fodiana, ny ampitso marain’io ny zandary, nosakanan’ny fokonolona ny lalana. « Notakin’ireo andian’olona ireo ny hanajanonana ireo olona nosamborina fa hatao kabarin-drazana », hoy ny fanazavan’ny zandarimaria, loharanom-baovao. Taorian’izay, nidina teny an-toerana ny kolonely kaomandin’ny vondron-tobim-paritra sy ny governoran’Androy niresaka amin’ireo fokonolona.

Tsy nijanona hatreo anefa ny famotorana ny raharaha. Vokany, olona roa hafa voasambotry ny zandary taorian’izay. « Disadisam-piarahamonina sy politika eo an-tanàna ny antony nahatonga izao tsy fandriampahalemana izao », hoy hatrany ny zandary.

 

Henintsoa Hani

Les commentaires sont fermées.