Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
Préc Suiv

Lomano-Covid-19: azo lazaina efa sitrana i Vola mivady

Lomano-Covid-19: azo lazaina efa sitrana i Vola mivady

Na mbola tsy nahavita ny fanaraha-maso farany aza i Harivola Marie Sarah (ex DTN ny lomano) mivady, azo lazaina fa efa sitrana raha jerena ny fivoaran’ny fahasalamany, araka ny fanazavan’izy ireo. Raha tsiahivina, nanomboka ny faramparan’ny volana jona i Vola mivady ny nitondra ny tsimokaretina Coronavirus, izany hoe, efa tapitra ny 15 andro nanarahan’izy ireo ny fitsaboana, saingy mbola manohy ny fanaraha-maso hatrany anefa ny mpitsabo. Mbola misy ihany koa ny fanafody arahina ary tsy hadino ny evoka, indrindra ny vavaka andro aman’alina. Isan’ny nanampy be azy ihany koa ny fanaovana fanatanjahantena, nampitombo ny herin-tsainy.  “Ohatra ny manao fifaninanana mihitsy ny niheverako ny tenako, misy mpanazatra isan-karazany, ny fanahy, nyvatana, ny saina. Ny mpanaraka ihany koa, mandrisika avokoa ka raikitra ny ady”, hoy ny fitantaran’i Vola ny niatrehan’ity tsimokaretina Coronavirus ity. Tsapany ho mivoatra tsara isan’andro ny fahasalamany ka ankehitriny, tena efa tsara izy mivady, tsy ahitana intsony ireo soratr’aretina ary efa matanjaka tsara.

 

Mi.Raz

Les commentaires sont fermées.