Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
Préc Suiv

Indray mijery

 Be mpividy eny amin’ny farmasia ny vitamine C sy ny magnésium amin’izao fotoana izao ary tsy manana taratasim-panafody nomen’ny mpitsabo ny ankamaroan’ny mpividy, araka ny fanazavan’ny mpitantana ny farmasia iray eto an-dRenivohitra. Tena mandeha koa izao ireo karazana lohamenaka sy « baume » azo atao evoka satria izay ny torohevitry ny mpitsabo maro. Ampy ny tahirim-panafody satria betsaka ny mpamongady ary miezaka manome fahafaham-po ny mpanjifa ny farmasia. Tsy vitsy ireo misokatra ny faran’ny herinandro ahafahan’ny rehetra mividy fanafody ilaina, indrindra ao anatin’izao hamehana ara-pahasalamana izao.

Hanomboka rahampitso ny fandraisana fisotroan-dronono ho an’ireo zokiolona. Na eo aza ny fanamorana ny fakana izany izay efa nataon’ny tahirimbolam-panjakana, mbola olana ho an’ny sasany ny tsy fisian’ny taxi-be. Tsy mahatakatra saran-dalan’ny taxi ireo zokiolona. Misy anefa ireo kaominina mijery manokana ireo zokilona ka mikarakara fiara fitaterana maimaimpoana ho azy ireo ahafahany maka izany vola fisotroan-dronony izany. Anisan’izany ny kaominina Sabotsy Namehana, nanokana fiara hitondra ireo zokiolona haka ny volany eny amin’ny percepteur Analamahitsy.

Les commentaires sont fermées.