Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
Préc Suiv

Haikanton’ny ankehitriny: nodimandry Razakaratrimo Zoarinivo (Mme Zo)

Haikanton’ny ankehitriny: nodimandry Razakaratrimo Zoarinivo (Mme Zo)

Nivelatra teo amin’ny sehatra iraisam-pirenena ny talentany. Niavaka rahateo ny kanton’ny ankehitriny natolotr’i Mme Zo ny olona. Nitsahatra nanomboka omaly avokoa izany satria…

Nodimandry ilay andrarezin’ny haikanton’ny ankehitriny. Vaovao nampitain’ny tambajotran-tserasera maro, omaly, ny nahafantarana fa nindaosin’ny fahafatesana i madame Zo na Razakaratrimo Zoarinivo. Tsy ela fa vao tamin’ny volana jona teo ny nanoloran’ny Fondation H azy ny loka “Prix Paritana” andiany faha-4. Talenta lehibe ananany ny famoahana ny hairahan’ny ankehitriny amin’ireo akora heverina fa tsy hisy ampiasana azy intsony. Saika manana endrika valonana lehibe, na misarina tady voatenona izy ireny amin’ny ankapobeny. Ho an’i madame Zo: “tsy misy ny zavatra tokony ho very. Ny rehetra, azo avadika ho tsara avokoa”. Fomba fiasa nitandro fatratra ny tontolo iainana sy ny fahadiovana sady nampifamatotra ny fahaiza-manao fahiny sy ny asa famoronana ankehitriny. Niara-niasa akaiky amin’ireo mpitia sy mpandala zavakanto izy. Anisan’izany ny Fondationa H izay nanome toky fa tsy atao raraka an-tany ny ezaka sy ny talentan’i madame Zo fa hokajina fatratra, omena lanja sy hasina ary hampiainina hatrany hatrany na tsy eo intsony azy izy.

Mahahenika ny sehatra iraisam-pirenena

Tsy teto Madagasikara ihany fa saika naneran-tany, samy nahita ny hakanton’ny fikarohana nataon’i Mme Zo avokoa. Anisan’ny lehibe indrindra ny nampirantiana ny sanganasany tao amin ‘ny Musée Quai Branly, ny taona 2018 ka hatramin’ny taona 2019, nandritra ny hetsika: “Madagascar, arts de la Grande Île”. Talohan’izay, ny taona 2007, tamin’ny « Triennale de la Tapisserie » notontosaina tany Pologne. Nandraisany anjara ka nampirantiana ny sanganasany ihany koa ny tao amin’ny « National Muséum of African Art » ao Washington DC, ny taona 2004. Mbola voarakitra tsara ao anaty tantara koa ireo sanganasany naranty nandritra ny “Biennale de Dak’Art », ny taona 2000 sy ny taona 2002. Ho an’ity taona ity, anisan’ny tafiditra ao anatin’ny loka azon’i Mme Zo ny fandraisana anjara amin’ny fihaonana sy ny fikarohana any amin’ny Cité Internationale des Arts, mandritra ny telo volana. Aorian’izay no tokony ho nampirantiany ny sanganasa vitany tao anatin’io fikarohana sy famoronana io.

Mirary fiononana feno ho an’ny fianakaviana sy ny tontolon’ny zavakanto malagasy ny Gazety Taratra.

Nanangona: HaRy Razafindrakoto

Les commentaires sont fermées.