Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
Préc Suiv

Fifampizarana: tsy misy te hamoaka ny any aminy

Fifampizarana: tsy misy te hamoaka ny any aminy

Mahavariana! Satria tsy afaka ny mihaona noho ny fihibohana, raikitra ny fampiasana ny “facebook” hoenti-mifampizara traikefa eo amin’ny zavakanto. Hanokafana vondrona vaovao mihitsy izany ka saika hiompana amin’ny fianarana na ny fifanakalozana no itondrana ny votoatiny. Ohatra, “Fifampizarana ho an’ny mpitendry gitara”, “Fifanakalozana ho an’ny mahay solfezy”, “Isika mahay valiha”, “Fifanakalozana…”, sns. Mampiharihary endrika roa somary arahina hafetsifetsena ihany anefa ny sasany amin’ireny. Finiavana te hahazo kanefa malaina ny hizara.

Mba tsy hivandravandra io kajikajy io, tsy vitsy ireo mihatsaravelatsihy mandefa fampianarana “tapany” sy tsy tonga amin’ny tokony hilàna azy akory ao anatin’ireny vondrona ireny. Raha tokony ho lesona 10 ny omena, eo amin’ny lesona fahatelo ihany dia vita! Tsy mandefa intsony fa miandry izay halefan’ny hafa. Ireo manantena ny tohiny, miandry vasoka. Ny mahay, mamihina. Ny mitady fahalalana, kamo mikaroka. Ny te hanambe, mihatsaravelatsihy!

HaRy Razafindrakoto

Les commentaires sont fermées.