Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
Préc Suiv

Bakalorea: hifarana ny 17 jolay ny fisoratana anarana 

Hifarana ny 17 jolay ho avy izao ny fandraisana ny fisoratana anarana ho an’ny fanadinam-panjakana bakalorea taona 2020, araka ny fanambaran’ny tale jeneralin’ny fampianarana ambony ao amin’ny minisiteran’ny Fampianarana Ambony, Rajaonarison Jean François, omaly. Aorian’ io fe-potoana io, tsy misy intsony ny fandraisana satria efa nohalavaina ny fisoratana anarana raha niantomboka ny 20 febroary lasa teo. Tsy niova ny saran’ny fisoratana anarana ho an’ny bakalorea amin’ity taona ity. Ho an’ny fampianarana ankapobeny, hanomboka ny 5 oktobra ary hifarana ny 9 oktobra ny bakalorea. Ho an’ny sampana teknika sy fiofanana momba ny asa andiany faharoa, hanomboka ny 12 oktobra ary hitohy ny 13 oktobra ny fanadinana. Hitsahatra ny 14 oktobra noho ny fanamarihana ny fetin’ny Repoblika I. Hiverina ny fanadinana ny 15 sy 16 oktobra.

Ho an’ny fampianarana ambony, afaka mamita ny fandaharam-pianarana ny oniversite sy ny lalam-piofanana tsy mbola nahavita eo anelanelan’ny 19 oktobra sy ny 20 desambra. Tombanana ho ny volana marsa 2021 ny fisantarana ny taom-pianarana vaovao ho an’ny oniversite rehetra miankina amin’ny fanjakana. Miankina betsaka amin’ny fivoaran’ny raharaha ara-pahasalamana anefa ny lamina rehetra. Mbola hisy rahateo fivoriana miaraka amin’ny filohan’ny oniversite sy ny talen’ny sekoly ambony (Copries) hanapahana ny tetiandro farany.

Vonjy        

 

Les commentaires sont fermées.