Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
Préc Suiv

Ambositra-Vondrozo: noroahina ny mpanimba ala miisa 173

Ambositra-Vondrozo: noroahina ny mpanimba ala miisa 173

 Nanararaotra ny fihibohana noho ny Covid-19 ny mponina manodidina ka nitsofoka tao anatin’ny Tandavanala Ambositra-Vondrozo (Cofav). Nanorim-ponenana anjatony tafo  mihitsy izy ireo, manapotika ny ala sady mitrandraka harena an-kibon’ny tany.

Nidina tampoka tao anatin’ny faritra arovana, any amin’ny Tandavanala Ambositra-Vondrozo, manodidina ny  kaominina Ivongo, distrika Ivohibe, faritra Ihorombe, ny mpisafo ala, ny 11 hatramin’ny 20 jona lasa teo. Maro ny endriky ny fanapotehana ny tandavanala Ambositra-Vondrozo, toy ny fikapana hazo, ny fitrandrahana harena an-kibon’ny tany. Nanorim-ponenana mihitsy izy ireo, nahavita trano anjatony mahery.

Notetezina ny tany Analamijy, ny tany Andranolava, samy ao anatin’ny kaominina Ivongo. Maro ny endrika fanapotehana harena voajanahary hita, fandripahana hazo sy indrindra, ny fitrandrahana harena an-kibon’ny tany. Miisa 112 ny lavadavaka nitrandrahana tany ambanin’ny tany hita.

Manorim-ponenana mihitsy ireo olona ireo ka miisa 104 ny lasy vonjimaika tsy maintsy noravana. Nahatratra 173 ireo olona niorim-ponenana sady nitrandraka antsokosoko tanaty ala. Miisa 200 ny foto-kazo vao notapahina, nogiazan’ny fanjakana.

Tontolo lovain-jafy

Nanatanteraka ity fisafoana ity ny teknisianin’ny fitantanam-paritry ny Tontolo iainana (Dredd) Ihorombe, ny lehiben’ny distrika Ivohibe, ny kaominina, ny fokontany, ny Vondron’olona ifotony (VOI). Niantoka ny fisafoana ny Conservation international (CI). Novatsina ny fitaovana fisorohana ny Covid-19 (arotava, gel, …) sy nampanaovina ny fihetsika ara-pahasalamana samihafa.

Ao anatin’ny paikady hanamafisana ny fiarovana ny ala sy ny fampahafantarana ny mponina eny ifotony ireo lalàna mifehy ny fitantanana ny ala ity fidinana itofony ity, hampaharitra ny ala eto Madagasikara. Tafiditra ao anatin’ny tanjon’ny Tetikasa “Tontolo voajanahary lovain-jafy amin’ny ilany atsinanan’i Madagasikara”.

Njaka Andriantefiarinesy

Les commentaires sont fermées.