Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
Préc Suiv

Mijilo – Manakara : olona roa nahatrarana vola sandoka 210 000 Ar

Mijilo – Manakara : olona roa nahatrarana vola sandoka 210 000 Ar

Olona roa samy monina ao Mijilo Manakara no indray voasambotry ny zandary, ny alahady teo noho ny fanaovana vola sandoka mitotaly 210 000 Ar amin’ny ravim-bola 20 000 Ar sy 10 000Ar. Naharay an­gom-baovao ny zandary fa misy vola sandoka miparitaka ao amin’ny kaominina ambanivohitr’i Mijilo distrikan’i Manakara. Nidina haingana tany an-toerana ny zandary tamin’io fotoana io tamin’ny alalan’ny “équipe d’intervention rapide” ka hita tokoa ny toerana nisy ireto roa lahy niaraka tamin’ny vola sandoka ireto. Rehefa natao ny fanadihadiana dia nilaza izy roa lahy voarohirohy fa lehilahy iray avy any Andonabe Mananjary no nanatitra io vola io, ny asabotsy teo mba hividianana volamena ka ny alahady izy ireo vao nahafantatra fa sandoka ny vola kanefa tsy nampandre ny tompon’andraiki-panjakana na ny mpitandro filaminana tao an-toerana. Mitohy, araka izany, ny fikarohana ilay lehilahy mpiray petsapetsa sy mpamatsy ireo vola sandoka ireto. Ny zandarimaria ao Ma­nakara dia manentana ny olona hatrany raha manam-baovao mampiahiahy momba izany any amin’ny faritra misy azy ireo, hahafahana mandray fe­petra ara-potoana.

J.C

Les commentaires sont fermées.