Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
Préc Suiv

Fivorivoriana sy fihetsiketsehana : olona efatra nosamborin’ny polisy teny Ambohipo

Fivorivoriana sy fihetsiketsehana : olona efatra nosamborin’ny polisy teny Ambohipo

Voasambotry ny polisim-pirenena teny Ambohipo, oma­ly maraina ny lehilahy miisa efatra nitarika grevy teny an-toerana. Araka ny fantatra, ni­taky ny hamoahana an’i Berija ireo mpitokona ka nitondra sora-baventy maneho izany, niampy sainam-pirenena ihany koa. « Nivorivory sy niantsoantso an’ireo mpandalo sy mponina teny Ambohipo ireo andian’olona, tokony ho tamin’ny 9 ora sy sasany maraina », hoy ny fanazavan’ny polisim-pirenena, loharanom-baovao. Mbola nandoro kodiarana koa ireo mpitokona ary tsy nanaja ny hamehana ara-pahasalamana. Vokany, ni­dina teny an-toerana ireo polisim-pirenena ka nisambotra azy efa-dahy. Hadihadina ireto farany ary fantatra fa isan’ny nisamborana azy ireo ny fanakorontanana nataony. Ao koa ny fitarihana fitokonana ary ny tsy fanajana ny lalàn’ny hamehana ara-pahasalamana. Tsy nisy ny fandrobana niseho teny Ambohipo, tsy nipoaka ihany koa ny basy sy ny baomba mandatsa-dranomaso.

Henintsoa Hani

Les commentaires sont fermées.