
Hentitra ireo zandary eto amin’ny faritra Analamanga, misahana ny fanaraha-maso ny fepetra momba ny hamehana ny ara-pahasalamana. Raha ny zava-nisy teny Ampitatafika, distrika Atsimondrano, trano fivarotana sy fisotroana toaka no tratra mbola nisokatra, nampisotro sy nanangona olona tao anatiny. Nandritra ny fisafoana nataon’ny zandary teny an-toerana no nahitana izany. Nandraisana fepetra ka nakatona avy hatrany io toeram-pisotroana io, nosamborina ny tompon’ny fivarotana sy ireo olona telo nisotro toaka tao anatiny. Nalaina ny fahazoana mivarotra zava-pisotro misy alikaola “licence”, nogiazana ireo toaka maromaro, nosokafana ny fanadihadiana ary natolotra ny fampanoavana Anosy, omaly, ireto olona ireto. Manentana ny tsirairay hatrany ny zandarimaria mba hampilaza avy hatrany raha misy tranga toy izao ho fifampiarovana eo amin’ny mpiray tanindrazana, indrindra amin’izao fihanaky ny valanaretina coronavirus izao.
Jean Claude
Les commentaires sont fermées.