Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
Préc Suiv

Mba tsy ho maika tsy faingana intsony…

Mba tsy ho maika tsy faingana intsony…

Efa mihatsara ny toe-draharaha? Ny ady amin’ny fihanaky ny valanaretina Covid-19 io. Efa tsy mifana­lavitra firy, ohatra, ny marary sitrana sy ireo mbola tsaboina. Mitombo be tato ho ato ny olona sitrana; eny, na mbola misy anjatony aza, saika isan’andro, ny tranga vaovao amin’ny fitondrana ny tsimokaretina.
Mampirisika ny rehetra hiroso amin’ny fiatrehana ny ady izany: fiarovan-tena, fiarovana ny hafa koa; fanajana sy fampiharana amin’ny antsipiriany sy manontolo ny fepetra ara-pahasalamana. Mahomby rehefa tena miady? Fahavalo iombonana no iadiana sy mihanaka izao, tsy hita maso, tsy mifidy olona…
Mba tsy hoe hentitra kokoa ny fampanajana sy fanaraha-maso ny fepetra no manetsika, fa fahatsiarovan-tena sy ny faharesen-dahatry ny tsirairay… miaraka. Izay no antoka ahombiazana: tsy maintsy miady sy mandresy. Ao anatin’ny fahamehana izao ka ny fahasalamana aloha ny zava-dehibe sy maika.
Manantena handresy, matoa miady. Mba tsy ho very maina ny ezaka atao, ny fotoana, ny fitadiavana afoy amin’ny ampahany na manontolo… Ny fanantenana no mamelona, ny finiavana no mampandroso. Mila mandroso koa izany amin’ny ady, efa tsy takona afenina izao fa mahomby raha tena atao… miaraka.
Mila finiavana izany fa izay no mampandroso. Mila misikim-ponitra sy manamafy valahana ny tsirairay sy ny rehetra amin’izany. Mba tsy hiverimberenana amin’ny ady: maika tsy faingana, na mandroso mihemotra. Vokatry ny ataon’ny tena ihany ny fihatsaran’ny toe-draharaha…. tsy tongatonga ho azy amin’izao tsinona.
Mila mihafy sy miaritra kely àry raha tiana ny hahomby sy hamarana haingana izao fihibohana tanteraka izao ho an’ny faritra Analamanga, ohatra. Avy eo, miarina sy manarina ny fahavoazana. Mahamaika ny fahasala­mana amin’izao? Zava-dehibe nefa tsy atao mahamaika tsy faingana koa ny fitadiavana.
Ndrao ny fahamehana amin’ny fitadiavana no mam­pitarazoka ny fahamehanana ara-pahasalamana? “Tokony hatao haingana izay tsy mahamaika mba hahazoana manao miadana izay tena maika”, hoy ny ohabolana sinoa iray izay.

Rafaly Nd.

Les commentaires sont fermées.