Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
Préc Suiv

ZDR : “Mila iainana ny kolontsaina”

ZDR : “Mila iainana ny kolontsaina”

Ny hamerina indray ny hasin’ny kolontsaina sy ny fomba malagasy amin’ny alalan’ny “zavakanto vita amin’ny teny” no anisan’ny tanjon-dRafenomanjato Laza Gerard Pierrot na ZDR eo amin’ny asa fanoratana tononkalo. Raha ny fahitany manokana ny literatiora ankehitriny , “noho ny fandrosoana entin’ny teknolojia, efa tsy hita taratra loatra eo anivon’ny fiarahamonina ny tsy fironan’ny ankabeazan’ny olona amin’ny fandalana ny kolontsaina eto amintsika ka mitady ho saron’ny zava-baovao entin’ny vahiny isika, indrindra fa ny tanora”. Nanome vahaolana hoenti-miatrika io olana io izy ka nambarany tamin’izany fa “tokony haverina tsikelikely ny fanabeazana taloha tahaka ny famakiana boky, ny fanomezana sehatra bebe kokoa ny zavakanto malagasy, indrindra ny haisoratra”. Namba­rany fa “aza avela ho tantara ihany ny kolontsaina sy ny fomba ary ny literatiora ma­lagasy fa io no antsika. Araka izany, tazomy sy iaino ny an’ny tena fa ny an’ny hafa, tsy omeny”.
Maro ny tononkalo efa voasoratr’i ZDR, mirakitra ny tantaram-piainana samihafa, ny fitiavan-tanindrazana ary indrindra, ny tontolon’ny teny malagasy sy ny hasarobidiny. “Ezahina ampa­hafantarina amin’ny besinimaro ny sanganasa vita mba hiampita any amin’ny olon-drehetra ny hasarobidin’ny kolontsaina malagasy… Efa eo am-piheverana ny handrakitra izany ho boky, rehefa vita ny fihibohana amin’ity valanaretina Co­ro­­navirus manimba zavatra maro ity”, hoy izy.

Narilala

Les commentaires sont fermées.