Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
Préc Suiv

Ramamimampionona Gérard : “Ilaina ny fahatsapan-tena”

“Ilaina ny fahatsapan’ny tsirairay fa mbola ao anatin’ny ady isika amin’io valanaretina io. Eo koa ny fahatsapana ny andraikitra tandrify azy eo amin’ny fiainany. Tsy amin’ny valanaretina ihany; fa samy miaina izany ahazoany manatanteraka ny azy, araka ny tokony ho izy sy ara-potoana”, hoy ny filoha lefitry ny CFM, Ramamimampionona Gérard. Tsy ho variana amin’ny ady fa tsy tokony hohadinoina ny fitantanana ny olona : ny hanoanana. Inona ny fifamenoana ao anatin’izany ? Raha hiady amin’ny valanaretina, inona ny fanampiana hahazoana miatrika izany? Efa misy fivahavahana ka ny olona feno no mila tantanina.
Marina fa amin’ny fahamehana toy izao, mihena ny fahafahan’ny olona. Tsy tokony hatao tsinontsinona ny fahafahan’ny olona mandray an-tanana ny fiainany. Zava-dehibe koa ny fahatsapan’ny rehetra. Tokony hiara-dalana ny fifehezana apetraky ny fanjakana sy ny fifehezan-tenan’ny olona… Ny fiaraha-mientana sy ny fihavanana no ahombiazana.

R. Nd.

Les commentaires sont fermées.