Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
Préc Suiv

Mitohy ihany ny tsy fanarahan-dalàna: Taksiborosy iray tratra nitondra an-tsokosoko olona

Mitohy ihany ny tsy fanarahan-dalàna: Taksiborosy iray tratra nitondra an-tsokosoko olona

Tsy mety fay mihitsy! Mitohy hatrany ny fanaraha-maso ny sakana ara-pahasalamana tanterahin’ny miaramilan’ny Rezimanta faharoan’ny Jenia Miaramila (2°RG). Tra­tran’ny miaramila nandritra ny fisafoana tampotampoka notarihin’ny lehiben’ny 2°RG, ny Kly Ralaimampandry, afakomaly, ny fiara taksiborosy iray nikasa hitondra antsokosoko olona hihazo aty an-dReni­vohitra. Tratra teo amin’ny sakana teo amin’ny Sarima­sina, RN2 Toamasina, ity taksiborosy ity. Najanona avy hatrany, araka izany, ity taksiborosy ity ary navoaka tao ireo mpandeha tao anaty fiara. Manentana hatrany ny eo anivon’ny fitandroana ny filaminana hanaraka ny toromarika rehetra sy ny lamina efa napetraka hiarovana amin’ny fiparitahan’ny Covid-19. Tsy vao izao fa matetika ahitana taksiborosy mikasa hiditra antsokosoko hatrany any amin’ireo faritra efa namoahan’ny fitondram-panjakana fa voarara amin’ny fifamezivezena noho ny fiparitahan’ity valanaretina Coronavirus ity nefa izao mbo­la misy mahita irika hatrany.

Jean Claude

Les commentaires sont fermées.