Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
Préc Suiv

Kitra – «Orange Pro league» : miandry ny fanjakana ny fiverenan’ny lalao

Nambaran-dRakotohari­malala Mirado, sekretera jeneralin’ny Comité du football elite de Madagascar (CFEM), tao amin’ny tambajotran-tserasera, omaly alarobia fa miandry fifampidihana amin’ny fanjakana ny hahafahana ma­merina ny fifaninanana hiadiana izay ho tompondakan’i Ma­dagasikara na ny “Orange Pro league”. Efa nalefa any amin’ireo ran­tsa-mangaika samihafa, ny mi­nisitera sy ny federasiona ny hevitry ny CFEM sy ireo klioba 12 mandray anjara amin’izany, nivory ny asabotsy 4 jolay lasa teo. Ni­fanarahana fa hatao “Play off” ny ho tohin’ny fifanintsanana ka hiatrika ny lalao ampahefa-dalana avy hatrany ireo ekipa valo voalohany, taorian’ny fa­havitan’ny andro faha-15 amin’ny fifanintsanana. Hotante­rahina amin’ny toerana iray izany, izay hitohy amin’ny manasa-dalana sy ny famaranana. Hisolo tena an’i Mada­ga­sikara amin’ny fiadiana ny ho tompondakan’i Afri­ka “li­gue des champions Caf”, izay ho voalohany amin’izany. No­tsiahiviny fa lalao tsy azon’ny rehetra jerena izany na “à huis clos”.

Tompondaka

Les commentaires sont fermées.