Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
Préc Suiv

Fasana Anjanahary : nalevina mangingina ny depioten’i Morombe

Fasana Anjanahary : nalevina mangingina ny depioten’i Morombe

Voahaja ny fepetra. Na­levina, afakomaly, eny amin’ ny fasam-bahiny etsy Anja­nahary, ny depioten’i Mo­rombe, Rakotomalala Lucien, na nangataka ny hitondra azy any amin’ny tanàna nahaterahany any Befandriana Atsimo, any amin’ny faritra Atsimo Andrefana, aza ny fianakaviana. Voafetra ihany ireo afaka nanatrika izany fandevenana izany, toy ny fianakaviana akaiky sy ny vady aman-janany ihany. Anton’izany, noho ny tsy fahazoana mi­tondra faty mivoaka ny faritra amin’izao ady amin’ny Covid-19 izao.
Tsiahivina fa nodimandry, ny talata 7 jolay teo rehefa no­tsaboina tetsy amin’ny Homi Soavinandriana, ny tenany noho ny aretina mitaiza, so­hika. Tsy tana anefa ny ainy. 60 taona ity depioten’ny an­toko IRD ity izao nodimandry izao. Efa intelo voafidy ho solombavambahoaka. Filoha lefitry ny faritanin’i Toliara rehefa voatendry ho CT, fony fitondrana Tetezamita. Ani­san’ny mpikambana teo anivon’ny « depiote 73 », teny amin’ny kianjan’ny 13 mey, ny tenany. Teo koa ny nanolorany ny tolokevitra amin’ ny hananganana vaomiera mpanadihady ny asan-dahalo any atsimo, indrindra ny any Morombe, tsy hisian’ny tsimatimanota sy ho fanafoa­nana ny kolikoly. Efa mpikambana teo anivon’ny vaomieran’ny fiarovam-pirenena teny Tsimbazaza koa.

Synèse R.

Les commentaires sont fermées.