Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
Préc Suiv

Fanararaotana tafahoatra ; tsy mitsaha-miakatra ny vidim-panafody

Hatramin’ny herinandro lasa iny, nampirongatra be ny valanaretina teto Antanana­rivo, tsikaritra ny filaharambe teny amin’ny farmasia. Mam­piteny ny moana ny fiakaran’ny vidim-panafody mila ho isan’andro eny amin’ireny fivarotam-panafody ireny. Va­volombelon’izany ireo manana marary mila ho isan’andro mividy fanafody. Androany, hafa ny vidiny, rahampitso, miakatra efa ho 100% izany kanefa toerana iray sy fanafody iray izao ihany no vidiana. Anisan’izany ny vitamine C, tena be mpitady ka lasa anaovan’ny farmasia fanararaotana mihoa-pampana ny fahavoazan’ireo marary. Toraka izany ny karazana “baume” manafana tratra sy fanosotra amin’ny orona izay lasa midangana ny vidiny eny amin’ireny fivarotam-panafody ireny.
Ankoatra izany, lafo vidy tsy takatry ny olon-tsotra ny “multivitamine” izay tena am­pirisihan’ny dokotera ny fihinanana azy hiarovan-tena sy hampiakatra ny hery fiarovana.
Eo koa ireo fanafody fitsaboana ny Covid-19 izay sarotra hita. Tsy lazaina intsony ny filaharambe eny amin’ireny farmasia ireny.

Randria

Les commentaires sont fermées.