Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
Préc Suiv

Carion: Vehivavy iray maty, voaroba ny vola

Tokantrano miisa roa in­dray voatafiky ny jiolahy miisa valo, ny 27 jona lasa teo. Vokany, lasan’izy ireo ny vola mitentina 2 100 000 Ar tao amin’ireo lasibatra. Maty nandritra ny loza ihany koa ny renim-pianakaviana ary olona telo naratra. Nandroba tao amin’ny fokontanin’Ambohi­misangitra-Carion ireo jiolahy tsy nisaron-tava, tokony ho tamin’ny 9 ora sy sasany alina. Lasa tamin’izany ny vola mi­tentina 1 300 000 Ar. Taorian’ izay, nanafika trano iray hafa teo amin’io fokontany io ihany ireo jiolahy ka lasa tamin’izany ny vola mitentina 800 000 Ar. Nopoirin’ireo olon-dratsy ta­min’ny «barre à mine» ny varavaran’ny trano ka tafiditra izy ireo. Taorian’izay, nitaky ny vola rehetra tamin’ireo tompon-trano izy ireo. Taorian’ny tranga, nitsoaka ireo jiolahy ary nampandre ny zandary ireo mpiray tanàna.
Tratra ny 29 jona teo ny lehilahy iray, taorian’ny famotorana rehetra. Voasambotra tamin’ny fanadihadiana azy koa ny namany roa hafa. Avy eny Namontana sy Ankadim­bahoaka ireo jiolahy ireo. Mbola mitohy ny fikarohana ireo namany.

Henintsoa Hani

Les commentaires sont fermées.