Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
Préc Suiv

Avy amin’ny fanjakana amerikanina : arotava 4 000 ho an’ny mpiasan’ny fahasalamana

Nosafidina manokana ireo mpiasan’ny fahasalamana lo­halaharana amin’ny ady amin’ny Covid-19 ao Toliara sy ao Moramanga ka nomen’ny fanjakana amerikanina arotava miisa 4 000 hiatrehana izao valanaretina izao. Vokatry ny fiaraha-maisan’ny United Sta­tes Africa Command, mamatsy ny fividianana ireo arotava vita eto an-toerana sy ny minisiteran’ny Fahasalamam-ba­hoaka izay namaritra ny toe­rana handray izany ary ny USAID Madagascar amin’ny alalan’ny tetikasa Impact, tanterahin’ny PSI Madagascar, no nahafahana nanolotra izany arotava izany.
Teo koa ny sampandraharaham-paritry ny fahasalamana niandraikitra ny fandefasana ny fitaovana any amin’ireo mpiasan’ny fahasalamana ao amin’ny tetikasa USAID Rano Wash.
Fanampin’ny famatsiam-bola mitentina 2,5 tapitrisa dolara natolotr’i Etazonia hanohanana ny ady atao amin’ny Covid-19 eto Madagasi­kara sy ny vola 2,2 tapitrisa dolara nalaina avy amin’ny teikasa USAID ity fanampiana amin’ny alalan’ny fanomezana arotava ity.

Tatiana A

Les commentaires sont fermées.