Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
Préc Suiv

Antso tolo-tanana : tsy salama ny mpanakanto Michel Patrick

Antso tolo-tanana : tsy salama ny mpanakanto Michel Patrick

Araka ny vaovao nampitaina amin’ny tambajotran-tserasera, marary sy mila tolo-tanana i Michel Patrick, mpanakanto manana ny maha izy azy eo amin’ny tontolon’ny hira. Sanganasany anisan’ny ahafantaran’ny olona maro azy ny “Lehilahy manam-bola”. Ambaran’ny nampita ny vaovao anaty tambajotran-tserasera fa: “efa roa herinandro teo ho eo izay no tena ao anatin’ny tsy fahasalamana tanteraka ny mpanakanto Mi­chel Patrick. Mandamaka eo am-pandriana, ao Sahavo­la any Fenoarivo Atsinanana, izy. Efa natao ny fitsaboana rehetra saingy, mbola tsy misy fiovana firy aloha hatreto. Misy fery be amin’ny tongony mitarika fanaintainana amin’ny vatany iray manontolo. Efa tapitra ny eo am-pelatanana tamin’ny fitsaboana efa natao. Mila tolo-tanana ny mpanakanto Michel Patrick ahafahana manohy ny fitsaboana. Ho an’ireo maniry hanampy azy, afaka mandefa MVola na Oran­ge Money mivantana aminy: 032 52 133 15 (Mi­chel Patrick Raymond Jacques) na 034 74 858 87 ( MVola amin’ny anaran’ny vadiny, madame Nathalie)”.
Anisan’ny mpanakanto nanamarika ny mozika malagasy i Michel Patrick. Maro ireo hira nahafantarana azy an­koatra ny “Lehilahy ma­nam-bola”, hira nindramin’i Big MJ taty aoriana. Anisan’ izany ny “Aomby”, ny “Fosa­fo­sa”, ny “Angela”, ny “Samy tsara”, sns.

Nanangona: HaRy Razafindrakoto

Les commentaires sont fermées.