Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
Préc Suiv

Ankadimbahoaka Paraky : maty voahitsaky ny kamiaobe ilay mpitondra môtô

Ankadimbahoaka Paraky : maty voahitsaky ny kamiaobe ilay mpitondra môtô

Nitrangana lozam-pifamoivoizana indray teny Soanierana, omaly maraina. Mpitondra moto iray maty tsy tra-drano voahitsaky ny kamiao.

Nandriaka ny ra teny amin’ny araben’i Soanierana, omaly marina tamin’ny 8 ora sy 30 minitra. Tra-doza tamin’izany ny lehilahy iray nitondra moto scooter, marika Yamaha Jog Pro, saika hihazo an’Ankadimbahoaka. Namoy ny ainy teo no ho eo izy vokatry ny dona mafy nahazo azy. «Fikorosiana vokatry ny fanajanona tampoka nataon’ilay moto no nahatonga ny loza», araka ny tomban’ny polisim-pirenena nanao fanadihadiana. Nilaza kosa ny loharanom-baovao iray fa saika hanatitra entana eny Tanjombato ilay mpitondra moto, tsy nisy laharana, io. Rehefa tonga teo Soanierana, niala lavaka eny amin’ny arabe izy ka nianjera ary nisosa tao amin’ny kodiarana aorian’ny kamiaben’ny Jirama. Vokany, voadona mafy ny lohany ka naratra ary nitarika ny fahafatesany teo no ho eo izany. Tsy naharo ny lohan’ilay mpitondra moto ny aroloha nanaovany. Taorian’ny loza, tonga teny an-toerana ny polisy nijery ny zava-nisy. Ilay vata-mangatsiakan’ilay lehilahy 36 taona, monina eny Anosy Avaratra, kosa, nalefa teny amin’ny tranom-patin’ny hopitaly Joseph Ravoahangy Andrianavalona. Mi­sokatra ny fanadihadiana.

Henintsoa Hani

Les commentaires sont fermées.