Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
Préc Suiv

Andrianamelantsoa Finaritra : “Efa taona maty ity taom-pilalaovana 2020 ity”

Andrianamelantsoa Finaritra : “Efa taona maty ity taom-pilalaovana 2020 ity”

Naneho ny heviny mahakasika ny tsy fahafahana manatanteraka hetsika ara-panatanjahantena, ny “chef de Service”, eo anivon’ny minisiteran’ny Tanora sy ny fanatanjahantena, Andrianamelantsoa Finaritra Privat.

Gazety taratra (*): Efa-bolana izay no niato ny hetsika ara-panatanjahantena teto amintsika. Ny hevitrao?

Andrianamelantsoa Finaritra Privat (-): Iaraha-mahalala fa maneran-tany ny miaina ny Covid 19 izay nisy akony maro amin’ny sehatra rehetra, indrindra fa ny sehatra ara-panatanjahantena. Raha mikasika antsika eto Madagasikara, tena nitsahatra mihitsy ny hetsika satria noho io antony voalaza io hoe mora ny fifindran’ny aretina noho ny fifampikasohana sy ny hatsembohana. Nefa amiko manokana, àry mino fa efa manana paikady entina hiatrehana ny ho avy ny taranjam-panatanjahantena tsirairay avy, ny minisitera mpiahy ihany koa manana ny paikady entina miatrika ny ho avy.

*Azo lazaina ho efa misasaka ny taom-pilalaovana, mbola antenaina hahavita ireo fandaharam-potoana ve ny federasiona amin’ity taona ity?
– Mino aho fa ny ankabetsahany, efa nisy fiovana avokoa ny tetiandro, mety izay tena zava-dehibe sy laharam-pahamehana no tsy maintsy enjehiny.

*Hafatra na soso-kevitra omenao azy ireny Ity taona 2020 ity dia efa taona maty, ny ankamaroan’ny fifaninanana ara-panatanjahantena, efa nahemotra daholo ka ny soso-kevitra dia ny miasa mangina manomana ny amin’ny taona ho avy ary mampirisika ny atleta mba hanomana hatrany fa tsy hiraviravy tanana satria ny krizy mety handalo ary farany, mankahery ny federasiona tsirairay mba hanohy ny ezaka tsara vita teo aloha.

Mi.Raz

Les commentaires sont fermées.