Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
Préc Suiv

Mila miaraka raha te ho lasa lavitra…

Mila miaraka raha te ho lasa lavitra…

Ny kely, hono, entin-tahotra; ny lehibe, entin-kenatra. Amin’izao fihibohana tanteraka ho an’ny faritra Analamanga, iadiana amin’ny fihanaky ny valanaretina Codid-19, izao: mbola misy entin-tahotra toy ny zaza na ankizy ihany ve, sanatria? Ho henjana sy hentitra kokoa noho ny teo aloha ny fampanajana sy fampiharana ireo fepetra noho ny fahamehana ara-pahasalamana amin’izany.
Na ny tahotra aza ny hoe voaloham-pahendrena, tahotra fanasaziana sy famaizana no avela hanjakana sy hampanjakaina amin’izao? Mila olom-pirenena tompon’andraikitra ny ady iombonana: aiza ny fahalalana henatra amin’ny fiarovan-tena sy fiarovana ny hafa? Ny tsy fandraisana andraikitra no tokony hahamenatra fa tsy ny aretina, sanatria. Malain-kisahirana tsinona, tsy miraharaha…
Raha misy ny fahalalana henatra, ho resy ny retina. Tokony haharesy lahatra sy hahamenatra ny hoe: olona toy inona eo amin’ny mpiara-monina aminy ny hoe manao antsirambina, tsy manara-dalàna… ? Tsy ny tenany ihany tsinona no voa sy mitondra faisana amin’izany fa ny hafa manodidina sy ny mpiray tanindrazana. Tsy efa lany henatra ve izay tsy miraharaha ny tenany sy ny hafa?
Nefa na ny tahotra na ny henatra, tsy mahalasa lavitra amin’izao ady anaty akata izao, ka hoe ifanenjana sy ifanenjika lava eto. Nefa ny valanaretina Covid-19 no fahavalo iombonana, tsy hita maso, tsy mifidy olona, mora mihanaka… Aleo fahatsiarovan-tena no manetsika, faharesen-dahatra, fijoroana… Ao anatin’ny fifampitokisana sy fahavononana izany fa ady lehibe no atrehina.
Mbola mafimafy sy sarotsarotra ny ady amin’izao, mila fahavononana sy firaisankina ary faharetana: lazon’ady… Mbola lavidavitra ny lalana, raha tsy misy fiovana sy fanovana ny fomba fisaina sy fomba fiainan’ny tsirairay miaraka na ny rehetra. “Raha te handeha haingana ianao, mandeha irery; fa raha te ho lasa lavitra, mandehana miaraka”, hoy ny ohabolana afrikanina iray izay.

Rafaly Nd.

Les commentaires sont fermées.